Ry alina masina, tonga izao ny Mesia

1 Ry alina masina, tonga izao ny Mesia:
 Zazakely mahatehotia 'lay mpamonjy be fitia.
 
Noely, Noely, Noely, alina masina.
 
2 Ry alina masina, 'njao ny Anjely mihira hoe:
 Voninahitra sy dera anie ho an'Andriamanitra avo be.
 
3 Ry alina masina, 'reo Anjely maro be
 Faly mihoby manao hoe: Fiadanana an-tany anie.
 
4 Ry alina masina, alefao ny taratrao
 Hampifaly ny fo rehetra eran'izao tontolo izao.
 
5 Ry alina masina, aoka izay ny sentosento.
 Faohy koa ny ranomaso, fa efa tonga 'lay Mesia.
 

 

Nampiditra Belle
Sokajy Noely
Fihirana Hasina p. 689
Vavaka sy Hira p. 666
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096