Ry Anjelin'i Zanahary

1 Ry Anjelin'i Zanahary
 Nampiantohany anay;
 Hotarihinareo lalana,
 Miambena ny tenanay. (intelo)
 
2 Ry Anjely 'zay manodidina
 Ny lapan'ny Andrianay,
 Manome voninahitra azy,
 Miambena ny tenanay. (intelo)
 
3 Ry Anjely mpihira lava:
 "Masina, masina, masim-be
 Zanahary hobin'ny tafika!"
 Miambena ny tenanay. (intelo)
 
4 Ry Anjely niverimberina
 Tamin'ny fiakaram-be,
 Niseho tamin'i Jakôba,
 Miambena ny tenanay. (intelo)
 
5 Ry Anjely niventy hira
 Fankalazana an'i Jesoa,
 Teraka tany Betlehema,
 Miambena ny tenanay. (intelo)
 
6 Ry Anjely mpiaro mafy
 Ny marary ho afaka aina,
 Raha izahay ho lany andro,
 Miambena ny tenanay. (intelo)
 

Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa
Fihirana Dera p. 143
Fihirana Hasina p. 688
Fihirana Vaovao p. 428
Vavaka sy Hira p. 623
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095