Reny jereo 'zahay miangona

1 Reny jereo 'zahay miangona eto amin'ny tongotrao
 Hamaly hira sy fisaorana ny fitiavanao anay.
 
Ny fonay feno haravoana,
Miditra atý hanome haja anao:
Anao, Maria, ny tenanay rehetra,
Koa tsy mba handao anao,
Tsy mba handao anao 'zahay, Maria.
 
2 Ny ela-baratr'i Satàna manelatrelatra aminay,
 Fa i Maria misakana azy, ka izy tsy mandratra anay.
 
3 Raha i Satàna misarangotra manipy lefona aminay
 Ny tanan'i Maria mamefy, fa izy no ampinganay.
 
4 Reny hajainay rehetra, tariho ny alehanay,
 Ambeno tsara ny ankizy, arovy koa ny lehibe.
 
5 Harahinay ny fonao, reny, mba haharesy ny demony,
 Fa ny ampinganao mba raiso, hiarovanao ny zanakao.

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 684
Fihirana Vaovao p. 414
Vavaka sy Hira p. 573
Vavaka sy Hira p. 573
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097