Reninay ianao, ry Masina Maria

Reninay ianao, ry Masina Maria)
Izahay izao e zandrin'i Kristy.  ) (indroa)
 
1 I Kristy anie nanondro anao,
 Nanome anao ho Reninay,
 "Ry mpianatro, io ny Reninao e!"
 
2 Ka mandray anao ny zanakao:
 Tonga soa atý an-tranonay,
 Hoy ny hiranay sy ny hoby e:
 
3 Feno hasoavana ianao,
 Hazavana eto aminay
 Ka ny haizina resinay e!
 
4 Hafatrafatrao arahinay:
 Aoka hanaiky tsara an'i Kristy,
 Ny ampanaoviny tanteraho e!
 
5 Dia ho sasa-poana izay tsy tia,
 Fa ny zanakao arovanao
 Hiara-tsambatra aminao e!

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 684
Fihirana Vaovao p. 457
Vavaka sy Hira p. 597
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093