Ray ô, intý ny fiainako

Ray ô, intý ny fiainako
Atolotro ho anao,
Fa Raiko ianao.
 
1 Eny, Raiko ianao,
 Hay, izaho ka zanakao
 Sambatra aho fa zanakao,
 Ray ô, intý ny fiainako.
 
2 Izaho anie tsy manan-kery
 Fa ianao mitantana ahy.
 Ento hanao ny sitrakao,
 Ray ô, intý ny fiainako.
 
3 Efa diso taminao,
 Nefa niantra ahy ianao
 Fa ny fitiavanao
 Ny hamela heloka ahy.
 
4 Mba entano ny fanahy
 Mba hahay hihaino anao.
 Raiso izaho fa tokinao,
 Ray ô, intý ny fiainako.
 
5 Voninahitra ho anao
 Sy ny Zanakao mahefa,
 Dera koa ho an'ny Fanahy,
 Ray ô, intý ny fiainako.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 677
Vavaka sy Hira p. 825
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0237