Ray ô, Ray ô, ho tonga anie ny fanjakanao

Ray ô, Ray ô, ho tonga anie ny fanjakanao,
Ho tonga anie ny fanjakanao. (Mt. 6, 10)

(Siraka 38, 1-8, 10-13)
 
1 Iantrao re 'zahay, Andriamanitra Tompo,
 Ireo firenena aoka hatahotra anao:
 Amparo eo aminy ilay sandrinao
 Fa mbola tsy fantatr'ireo ny herinao.
 
2 Naneho taminay teo imasony ianao
 Fa masina indrindra, ka niaiky izahay.
 Ataovy mba tsapany koa ho hitanay
 Fa tsisy izay Tompo lehibe toa anao.
 
3 Ary izy hahafantatra tahaka anay
 Fa hany Andriamanitra tokana ianao:
 Indraozy ireo zava-mahagaga fahiny,
 Omeo voninahitra ny sandrinao.
 
4 Angony ity fianakavian'i Jakôba,
 Tolory azy indray re ny lova fahiny:
 Iantrao 'reo antsoina amin'ny anaranao,
 Ny lahimatoa amin'ireo zanakao.
 
5 Ny vohitrao masina koa re tsinjovy,
 'Lay Jerosalema fonenana soa:
 Ataovy manako ao Siôna ny hoby,
 Anatin'ny tempoly ny haja sy ny hery.
 
6 Andeha isika hidera ny Ray tia antsika,
 Naneho fahefana izy hanavotra antsika:
 Ny zanany no nanandratany antsika,
 Fanahiny no nahamendrika antsika.
 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 99
Fihirana Hasina p. 676
Fihirana Vaovao p. 70
Vavaka sy Hira p. 395
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101