Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao

Ray ô,
Hohamasinina anie, (hohamasinina)  
Ny anaranao. 
Hohamasinina anie, (hohamasinina)  
Ny anaranao.(Mt. 6, 9)
 
(Tahaka ny ihirana ny and. 1 no ihirana ny and. 2 sy 7-10;
ary tahaka ny and. 3 ny and. 4 sy 6)

(Sal.113B)
 
1 Tsy izahay, ry Tomponay ô, tsy izahay
 Fa ny anaranao no omeo ny fiderana.
 Lehibe tokoa ny hatsaram-ponao,
 Mahatoky raha ny fahamarinanao.
 
2 Ny tsy mpino anefa misy manontany:
 "Aiza, hono, ny Andriamanitr'izy ireo?"
 Ny Andriamanitray dia any an-danitra any,
 Ary vitany izay sitraky ny fony.
 
3 Raha ny sampin-dry zareo,
 Dia volamena, volafotsy,
 Asan-tanana ireny:
 Manam-bava tsy miteny,
 Mana-maso tsy mahita,
 Manan-tsofin-tsy mandreny.
 
4 Manan-tongo-tsy mamindra,
 Manan-tanan-tsy mandray,
 Manan-tenda tsy amam-peo.
 'Reo namorona azy ireny,
 'Reo matoky ny hotahiany
 Enga anie hanahaka azy.
 
5 Ry taranak'i Israely,
 Itokio ny Tomponao
 Sady vonjy no ampinga.
 Ry taranak'i Arôna,
 Itokio ny Tomponao
 Sady vonjy no ampinga.
 
6 Ry matahotra ny Tompo,
 Itokio ny Tomponao
 Sady vonjy no ampinga.
 Fa ny Tompo mahatsiaro
 'Zay nataony tamintsika,
 Ka dia hotahiny isika.
 
7 Hotahiny anie ianao, ry Israely,
 Hotahiny koa ianao, ry Arôna,
 Hotahiny, ho' aho, ianao matahotra azy,
 Na madinika aminao na vaventy.
 
8 Izy hanambina an'ireo taranakao,
 Izy ilay nanao ny lanitra sy tany,
 Raha ny lanitra dia lanitr'izy Tompo,
 Fa ny tany lovan-janak'i Adama.
 
9 Tsy ny maty no midera an'izy Tompo,
 Na 'reo nidina any an-toerana mangina;
 Fa isika no hisaotra an'izy Tompo,
 Tsy hitsahatra amin'ny taona mifandimby.
 
10 Koa andeha re isika mba hidera,
 Fa mahefa be ny Ray nahary antsika;
 Fa ny Zanany nomeny fandresena
 Ny Fanahiny no manavao ny tany.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 92
Fihirana Hasina p. 674
Fihirana Vaovao p. 332
Vavaka sy Hira p. 343
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.119