Raiso, hamasino ny soronay, ry Tompo

Raiso, hamasino ny soronay, ry Tompo,
Fa solon-tenanay, eo an-tongotrao.
 
1 Ray mandrakizay nahary izao rehetra izao,
 Ity ny tenanay ho fanananao.
 
2 Ny fo sy ny saina sy ny herinay rehetra
 Am-pelatananao, raiso anjakao.
 
3 Ny fiainanay sy ny fahafatesanay
 Atolotray anio amim-panekena.

Nampiditra Belle
Sokajy Fanolorana
Fihirana Hasina p. 672
Fihirana Vaovao p. 367
Vavaka sy Hira p. 732
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0762