Raiko ô, Raiko ô!

Raiko ô, Raiko ô, avelao ny helony,
Fa tsy fantany 'zay ataony.

(Sal. 40) 

1 Sambatra ny miahy ny malahelo sy ny mahantra:
 Ny Tompo manafaka azy amin'ny andro fahoriana.
2 Ny Tompo manohana azy eo am-parafara ijaliany,
 Mitsabo sy mankahery azy alamaky ny aretina.
 
3 Tompo ô, miantrà ahy ianao,
 Hahalalako fa tia ahy.
4 Eny, ambenanao aho mba hadio hatrany,
 Ka hapetrakao anoloana, ry ilay mandrakizay.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy - Salamo
Fihirana Hasina p. 672
Vavaka sy Hira p. 278
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009