Raha tojo patsa iray tsy omby vava

1 Raha tojo patsa iray tsy omby vava,
 Fa fongana tampoka izay nantenaina,
 Nikoa izay naorina sy nokasaina...
 Ankino amin'ny Tompo ny fo aman-tsaina...
       Tsarovy i Zôzefa, ilay sahiran-tsaina,
       Nomen'izy Tompo fampanantenana
       Hitaiza an'i Jesoa:
       Anilan'ireo miady saina ny Tompo,
       Ka mihaino azy ireny.

2 Raha tojo olam-piainana saro-bahàna,
 Raha sendra safidy mitaky finoana,
 Ka ny valin-teny haningotra ny aina...
 Ankino amin'ny Tompo ny fo aman-tsaina...
       Tsarovy i Maria, nanaiky ny Teny,
       Nomen'Andriamanitra ny hafaliana
       Ho Renin'ny Tompo:
       Miandàny amin'ny olon-tia azy ilay Avo,
       Ka mitsinjo azy ireny.

3 Raha tojo safidy hihatra aman'aina,
 Ho sandan'ny fiainana izay hosedraina,
 Tanaty fitiavana sy fanekena...
 Ankino amin'ny Tompo ny mafy hozakaina...
       Tsarovy i Jesoa tao Getsemania,
       Nomen'ny Rainy ny voninahitra
       Sahaza ny Zanaka:
       Miandàny amin'izay manaiky azy ny Ray,
       Ka manangana azy ireny.

4 Raha lavo nitrosina noho ny halemena,
 Namadika toky sy teny nekena,
 Ka mila ho resin'ny fahakiviana...
 Ankino amin'ny Tompo, na fahotana aza...
       I Piera nibaboka ny hakanosàny,
       Nomen'i Jesoa fampanantenana
       Ho andrim-piangonany:
       Manatona ny olo-nanota ny Tompo,
       Ka manova azy ireny.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 422
Fihirana Hasina p. 671
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089