Omenay dera sy voninahitra - Victoire Rasoamanarivo

1 Omenay dera sy voninahitra:
 'Lay vehivavy masim-piainana,
 Fanilo manazava ny firenenay!

Ry voninahitry ny Nosinay,
Victoire môdelinay rehetra,
Manantena mafy ny firenenao:
Fa Jesoa sy Maria 'zay tia anao
Tsy maintsy haneho ny voninahitrao )
Eran'i Madagasikara!                         ) (indroa)

2 Izy niantra ireo mahantra,
 Sy ny kamboty 'zay tra-pahoriana:
 Tena reny mpiaro mendrika tokoa!

3 Nony injay tonga 'lay andro sarotra,
 Ka saika foana ireo eglizintsika!...
 Indro nitsangana izy ka niaro mafy.

4 Ny fanirianay, ry Jesoa Tompo ô,
 Ny hanandratana an'i Victoire
 Eo ambony ôtely, hataonay môdely!

Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina
Fihirana Hasina p. 666
Fihirana Vaovao p. 545
Vavaka sy Hira p. 634
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0883