O ry Ray ô... mba iantrao ireo havanay

1 Ô ry Ray ô... mba iantrao ireo havanay
 Voaantsonao hialoha lalana anay
 Sy 'zay rehetra nino anao
 Tafandry mandry am-piadanana.
 
Raiso re ho an-dapanao izy ireo,
Mba hidera anao, ry Ray ô;
Ka hanenika azy ilay hazavana,
I Kristy mandrakizay.
 
2 Hoy i Jesoa... Jesoa Kristy nampianatra anay
 Fa ianao anie no Ray be fitia:
 Rahefa mody ny zanakao, tsinjovinao ka raisinao.
 
3 Fa ny ota... ny otanay ve hotananao,
 Ka iza moa, ry Ray ô, no ho madio?
 Fa ianao e be indrafo, ka iantrao 'reo havanay.
 
4 Ny finoana... fa ny finoan'ny Eglizinao
 Fanantenana ho an'ireo havanay:
 Na dia mpanota, nino anao, zanak'ilay
 Vahoakanao.
 
5 Any andro... mbola ho tonga ilay andro iray,
 Hangoninao 'zahay hanotrona anao:
 Feno haravoana, velona indray,
 Tsy hisy very 'reo havanay.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 665
Fihirana Vaovao p. 282
Vavaka sy Hira p. 556
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119