Be ny ditra natao

1 Be ny ditra natao, ifonako aminao,
 Fa tsy hamerina intsony, amin'ny ho avy,
 Ny hadalana 'zay nigagana,
 Ka nandao anareo 'ty zanakareo.

 Ary tsy hanindroa, f'efa fay 'zao fa voa,
 Ka tsy hamerina intsony, amin'ny ho avy,
 Dada malala ô, ka mivalo aminao 'ty zanakao.

 Mahatsiaro fa nania 'zay natao,
 Satria nanenika ahy
 Ny fakam-panahy namaivay.
 Nahatsapa fa nandà ny anatrao;
 Ka tsipak'ombalahy
 No nahavoa ahy, hany ka fay.

2 Taitran'ny rendrarendra, tanora koa moa ny tena,
 Ka tsy nahatohitra firy
 Ny fandrosoana 'zay nobaboina,
 Ka nandà anareo 'ty zanakareo.

 Ary tsy hanindroa, f'efa fay 'zao fa voa,
 Ka tsy hamerina intsony, amin'ny ho avy,
 Dada malala ô, ka mivalo aminao 'ty zanakao.
 


 
Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 664
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105