O! Kristy ô! mino anao ny tanindrazanay

O! Kristy ô,
Mino anao ny tanindrazanay.
Manantena ho sambatra
Izahay matoky anao. (indroa)
 
1 Hoy ny razanay e notsilovinao
 Mamy anie ny aina, mihavàna re.
 
2 Madagasikara tsy ho fefika
 Na tamin'ny onja tsy ho rendrika.
 
3 Ny fitiavanao no itiavanay
 Ka ny firenena ho vahoaka iray.
 
4 Fa ny herinao no herinay
 'Zay mandray adidy miaraka aminao.
 
5 Andriamanitra ô, He, sambatra
 Ny firenena manana anao!
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 663
Fihirana Vaovao p. 202
Vavaka sy Hira p. 803
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1396