Ny voninahitrao, ry Tompo Andriamanitra Ray

Ny voninahitrao, ry Tompo Andriamanitra Ray,
Dia i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Tomponay!
 
1 Fa nanana ny toetran'Andriamanitra i Jesoa;
 Kanefa tsy noheveriny hifikirana mihitsy
 'Lay toetra nitovizany amin-dRainy hatramizay.
 
2 Ka indro ny toetran'Andriamanitra nialany,
 Dia naka ny toetra maha-mpanompo kosa izy,
 Ka tonga olombelona nitovy tamintsika.
 
3 Ny tenany naetriny, nanaiky fatratra izy,
 Nanaiky dia nanaiky, eny ambara-pahafaty,
 Ka maty ho antsika tamin'ny hazofijaliana!
 
4 Ny Rainy kosa anefa indro fa nanandratra azy
 Nanolotra azy anarana mitory fahefana:
 Anarana mihoatra 'zay anarana rehetra!
 
5 Fa tiany mba hilefitra amin'io anarana io
 Hilefitra amin'i Jesoa ny lohalika rehetra:
 Dia ny any an-danitra any, ny eto an-tany sy any ambany.
 
6 Fa tiany mba hiaiky sy hanambara koa isika
 F'i Jesoa no natsangan'Andriamanitra ho Tompo,
 Hijoro ho voninahitr'izy Ray mandrakizay!

 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 168
Fihirana Dera p. 207
Fihirana Hasina p. 662
Fihirana Vaovao p. 475
Vavaka sy Hira p. 446
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095