Ny voninahitrao, Maria tany Salette

1 Ny voninahitrao, Maria tany Salette,
 Nazava nanjopiaka toa masoandro vao
 Fa ory ny fonao, ny ranomasonao
 Nandriaka be tokoa noho 'zahay zanakao.
 Onony ny alahelo, Reny be famindram-po,
 Indro ny vahoakanao tsy mikomy, fa mivalo
 Mitalaho an-tongotrao.

Masina ianao (indroa), Virjiny Reninay
Derao (indroa), vahoakan'i Marie e,
Asondroty ny feo.
Derao ny Tompovavy niseho ho anao,
Masina ianao, Virjiny Reninay,
Mifona 'zahay vahoakanao.
Aza foinao, fa zanakao.

2 Reny, lazao anay ny fototr'alahelo
 Nahontsa ny fonao, fa toa rera-po
 'Zahay vahoakanao mikomy sy mikiry,
 Efa hiantefan-doza hasian'ny Zanakao:
 Ifony, ry Reny miantra, izahay vahoakanao
 Amin'i Jesoanao masina, ianao no aronay e
 Hany fanantenanay.

3 Virjiny maminay, Reny be alahelo,
 Ny ota nataonay mandratra ny fonao;
 Indro ny zanakao miverina aminao,
 Mba raiso izahay, fa aza ilaozanao
 Hazòny, ry Reny mahery, ny sandrin'ny Zanakao
 Maonjana izy, mavesatra, aza avelanao hamely
 Ny vahoaka tsy foinao.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 661
Vavaka sy Hira p. 616
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0601