Ny vary afafy

1 Ny vary afafy, hoy i Jesoa,
 Dia natao hamelona aina ny fitsiriny,
 Ka tsy maintsy tafaverina ao anaty tany aloha,
 Izay vao afaka hitsimoka!
 Ary moa tsy nanambara taminao va i Jesoa,
 Fa ny fasana hilevenany,
 Telo andro monja ihany no hihazona ny nofony,
 Fa fiainan-tsy ho lo no nitrebona avy tao.
 
2 Ity tsimoka ity
 Dia natao hamelona aina ny salohiny,
 Ka tsy maintsy mbola hongotana
 Eny an-taniketsa aloha,
 Izay vao afaka hamokatra!
 Ary moa tsy nanambara taminao va i Jesoa,
 Fa ny tenany hofongorana,
 Sy hoesorina tsy hisy ety an-tanintsika velona,
 Ka ny fanjakan'ny Ray, tamin'izay no nitokanana.
 
3 Ary ity salohy ity
 Dia natao hamelona aina ny olombelona,
 Ka tsy maintsy hovelezina ary taomina an-tanàna
 Izay vao hoentina hozaraina!
 Ary moa tsy nanambara taminao va i Jesoa,
 Fa ny tenany hokapohina,
 Sy hoentina hovonoina dia hitsangana ho velona,
 Ka ny vatana aman-drany ho an'ny firenen-drehetra!

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Ankalazao ny Tompo p. 486
Fihirana Hasina p. 659
Vavaka sy Hira p. 803
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086