Ny tsodranon'Andriamanitra no homba anareo

Ny tsodranon'Andriamanitra no homba anareo,
Mba ho ela velona sy hahavita soa:
Hiadam-pinaritra ianareo e,
Ho masim-piainana sy fitiavana, ho fanilonay
.
 
1 Ny taranakareo dia fanomezan'Andriamanitra,
   Mba hampianarinareo hanompo azy )
   Sy hanasoa ny olombelona               ) (indroa)

2 Ny fitiavanareo dia fanomezan'Andriamanitra,
   Sady mitory fa tena iray ihany )
   Ny Tompontsika sy ny Egliziny.) (indroa)

3 Ny fiainanareo dia fanomezan'Andriamanitra,
   Mba hanambara fa ny fitiavana ihany )
   No loharanon'ny hasambarana.          ) (indroa)


 

 

 

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 149
Fihirana Hasina p. 658
Fihirana Vaovao p. 36
Vavaka sy Hira p. 521
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728