Ny tolotray, Andriamanitra ô

Ny tolotray,          Andriamanitra ô,
Mba topazo maso, Andriamanitra ô,
Tsofy rano re,       Andriamanitra ô,
Hamasino koa,      Andriamanitra ô.
 
1 Ny mofo no atolotra anao izao,
 Ka tsofy rano, ry Tompo ô:
 Fa vokatra avy amin'ireo taninay,
 Ovao ho tenan'ilay Zanakao.
 
2 Divay no atolotra anao izao,
 Ka tsofy rano, ry Tompo ô:
 Fa vokatra avy amin'ireo taninay,
 Ovao ho ran'ilay Zanakao.
 
3 Atolotray anao, Andriamanitra ô,
 Ny tenanay sy izao andro izao,
 Ireo hafaliana sy ireo fahoriana:
 Toavy re ho fisaorana anao.

Nampiditra Belle
Sokajy Fanolorana
Fihirana Hasina p. 658
Vavaka sy Hira p. 734
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202