Ny toky izay nomeko anio

1 Ny toky izay nomeko anio
 Dia teny marina tokoa
 Tsy hamitaka aho.
 
Vonona aho, ry Tompo,
Hanara-dia anao.
Vonona aho, ry Tompo,
Ka mba tantanonao. (indroa)
 
2 Na dia izany anefa
 Osa sy malemy aho
 Fantatrao, ry Tompo.
 
3 Mila fanampiana aho
 Fa ianao no itokiako
 Fa hanampy ahy.
 
4 Eny fantatro, ry Tompo,
 Fa ianao dia tsy manary
 Izay matoky anao.

Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa
Fihirana Hasina p. 657
Vavaka sy Hira p. 640
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093