Ny tokantranonay, ry Tompo (hira faneva FTK)

1 Ny tokantranonay, ry Tompo
 Fenoy ny fahasoavanao.
 Ndreto izahay vonon-kanompo
 Sy hanao izay sitrakao.
 
Jesoa, Maria sy Zôzefa anie,
Ohatra ho anay matoky azy,
Ny fiainanay koa ao aminy
Ny ampitso sy ny ho avy, ny any aoriana
Ka vonona izahay hanaja sy ho tia
Tena hanompo am-pifaliana.


2 Indreto ny fianakaviana
 Hanasoa ny Fiangonanao
 Hampandroso koa ny firenena
 Ho voninahitry ny anaranao.

3 Ny ankohonanay tsy hadino,
 Enga anie hanompo anao.
 Fitahianao mahery indrindra
 Hanome aim-pifaliana vao.

Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa
Fihirana Hasina p. 657
Vavaka sy Hira p. 829
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0737