Ny tokantrano sambatra tsodranon'Andriamanitra

1 Ny tokantrano sambatra tsodranon'Andriamanitra,
 Fa izy no nanambatra, mivimbina ho finaritra:
 Arovy ny fitiavana ho hanitra mandraraka,
 Fa izy hampihavana, hitahy ny taranaka.
 
2 Ny tokantrano sambatra iraisam-po sy saina,
 Harena mora fantatra, fa paradisan'aina:
 Tsy misy avakavaka ifanolanan-kevitra,
 Miaraka mivavaka, mahay mifandefitra.
 
3 Ny tokantrano sambatra dia tena Nazareta,
 Miasa sy misasatra Maria sy Zôzefa:
 Ny zanaka beazina dia zanak'Andriamanitra.
 Hanilo 'rony haizina, hitantana ho an-danitra.

Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa
Fihirana Hasina p. 656
Fihirana Vaovao p. 469
Vavaka sy Hira p. 802
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105