Ny teninao, ry Tompo ô ô ô

1 Ny teninao, ry Tompo ô ô ô
 No teny masina sy fiainana,
 Ka te hampanjaka azy izahay
 Amin'ny tany tontolo.
 
2 Jesoa, Jesoa Kristy ô ô ô
 Raiso ho anao ny fonay
 Ka ampianaro izahay
 Hahalala ny teninao.
 
3 Efa renay ny teninao ô ô ô
 Teny, tena fiainana,
 Nefa tsy mbola hainay
 Hifampizarana.

Indro izy fa entinay
Hampisehoanay ny olon-drehetra
Ka ataovy fantatray tokoa.
(Ny teninao teny soa).

Ny teninao no herinay
Hanafaka ny tebiteby,
Ka ataovy fantatray tokoa.
(Ny teninao teny soa).

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 656
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095