Ny raozy mivelatra raha vao maraina

1 Ny raozy mivelatra raha vao maraina,
 Madera sy kanto mambabo ny fo,
 Mandraraka hanitra mamerovero,
 Tandindon'ny Reniko an-danitra ambony.

Ny hasoavanao tsy mba manam-paharoa,
Tapitra ohatra tokoa ianao, Maria;
Ka ny foko te hahita ny hadiovanao:
Manantena ny hihaona sy hibanjina
Anao, Maria ô, any an-danitra any.

2 Ny tana-masoandro miposaka koa
 Mazava, baliaka, manjelatra erý:
 Mameno hafaliana ny zava-boaary:
 Tandindon'ny Reniko an-danitra ambony.

3 Ny rano ao an'ala madio mangamanga
 'Zay misononoka ao anelan'ny taho,
 Manala hetaheta an'ireo mpivahiny:
 Tandindon'ny Reniko an-danitra ambony.

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 653
Vavaka sy Hira p. 589
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0266