Ny masoandro raha takariva

1 Ny masoandro raha takariva
 Manao veloma izao rehetra izao;
 Izaho kosa, ry Reny be fitia,
 Handao ity toeran-tsoa ity.
 
Masina Maria ô, tsofy rano aho,
Manao veloma ny ôtelinao.
Fa ny foko tsy mba handao anao
Fa ianao no Reny mamiko.

 
2 Ry Maria ô, ambeno re ny foko
 Tsy hanadino anao mandrakizay.
 Na aiza koa na aiza misy ahy,
 Tsy sahiko ny hisaraka aminao.
 
3 Veloma re, ry lapan'i Maria ô,
 Ny sarinao ho raikitra an-tsaiko;
 Raha misy izay alahelon'ny foko,
 Hisava re raha mahatisaro anao.

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 133
Fihirana Hasina p. 652
Fihirana Vaovao p. 424
Vavaka sy Hira p. 565
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0339