Ny fo mitady ny rariny

1 Ny fo mitady ny rariny
 Manana ny fonao, Maria
 Hahita ny vonjy mahasoa.
 Iantrao 'zahay, fon'i Maria. (indroa)
 
2 Ny fonao tsatohin-defona
 Mampianatra ny fonay
 Halahelo ny otanay.
 Iantrao 'zahay, fon'i Maria. (indroa)
 
3 Ny lelafom-pitiavanao
 Mampirisika ny fonay
 Hamaly fitia an'i Jesoa
 Iantrao 'zahay, fon'i Maria. (indroa)
 
4 Ilay lisy mani-pofona
 Mitaona ny fanahinay
 Hankamamy ny hadiovam-po
 Iantrao 'zahay, fon'i Maria. (indroa)
 
5 Kintana fitarikandro,
 Mba savao re ny haizim-pito,
 Hanatonanay an'i Jesoa.
 Iantrao 'zahay, fon'i Maria. (indroa)

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 646
Vavaka sy Hira p. 609
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091