Ny fitiavako anao, Maria e

1 Ny fitiavako anao, Maria e
 Mitarika ahy aminao.
 
Reny malalan'
I Jesoa Mpamonjy,
Maria e, raiso ny foko!
Raiso ny foko!
 
2 Eto an-tranonao no misy toky
 'Zaho tsy tratry ny demony.
 
3 Ny androko tsy manana alahelo
 Eto an-dapanao, Maria.
 
4 Izay tsy mahafoy anao, ry Reny,
 Mora mahita an'i Jesoa.
 
5 Mba raiso ny fananako rehetra
 Apetrako an-tananao.
 
6 Mainka ny aiko aza no ataoko
 Am-pelatananao, Maria.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 646
Vavaka sy Hira p. 587
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.169