Ny finoana

Eny an-dalana mamaky haizim-pito
N'aiza na aiza misy anao dia matokia.
Tsy mba kivim-pahoriana izay matoky,
Mino sady manantena sy mitia.
 
Ny finoana tsy maintsy iainana, (ny finoana)
Ny finoana arahina fitia.
Zava-poana ny finoana
Sy ny vavaka rehetra
Raha tsy misy fitiavana
 
Ny finoana tsy hoe fiekena ihany, (ny finoana)
Ny finoana dia fifikirana.
Ny mifikitra amy marina
Hanasoa ny olombelona rehetra,
Izay no fitiavana.
 
Zava-poana ny finoana
Mbamin'ny fanantenana
Raha tsy eo 'lay fitiavana.
 
Ny fanantenana fahatokiana
Mahatoky fa ny soa maharesy ratsy
Ka iza no hahasaraka, na haizina mikitroka
Na onjam-pahoriana ny fitiavan'i Jesoa,
Jesoa ô, ry Jesoa ô.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 643
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086