Ny feonao miantso ahy

1 Ny feonao miantso ahy, homeny hasoavam-be.
 Izaho va tsy mba hanatona ny hamoram-panahinao?
 
Ô Jesoa, ny Fonao mirehitry ny fitiavanao anay,
Ka ny fonay ampireheto ny fitiavanay anao.
 
2 Izaho va halain-kandia ny lalam-be namboarinao,
 Hitady ny harena masina atý an-tany ratsy atý?
 
3 Anao Jesoa Andriamanitra ny tenako sy ny foko;
 Taniako ny taona lasana tsy nanompoako anao.
 
4 Hoentiko an-tany lavitra ny lazan'ny Fanahinao,
 Ka ny Fonao be fiantrana hatoroko ny havako.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 643
Fihirana Vaovao p. 405
Vavaka sy Hira p. 568
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092