Ny anaranao, ry Jesoa

1 Ny anaranao, ry Jesoa Tompo zokinay,
 Ny anaranao no reharehanay,
 Ka n'aiza n'aiza alehanay
 Ny anaranao no iantsoana anay.
 
Ry Jesoa ô, ry Jesoa ô, (indroa)
Ny anaranao no iantsoana anay
Ry Jesoa ô, ry Jesoa ô,
Vavolombelona izahay.


2 Ny teninao, ry Jesoa Tompo zokinay,
 Ny teninao no torolalanay,
 Ka n'aiza n'aiza alehanay
 Ny teninao no hany baikonay.

3 Ny tenanao, ry Jesoa Tompo zokinay,
 Ny tenanao no mofom-piainanay,
 Ka n'aiza n'aiza alehanay
 Ny tenanao no miaraka aminay.
Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 641
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0406