Mandrakizay ny hatsaram-pony

1 E! Isaory ny Tompo fa tsara fo...
 E! Isaory ny Andriamanitry ny andriamanitra...
 E! Isaory ny Tompon'ny tompo, isaory...
 
2 Ilay hany nanao zava-mahagaga...
 Ilay nanao ny lanitra amim-pahendrena...
 Ilay nampisy tany eo ambony rano...
 
3 Ilay nanao fanazavan-dehibe...
 Dia masoandro hanjaka amin'itony andro.
 Mbamin'ny volana, kintana, amin'ny alina...
                    Mandrakizay ny fitavany
 
4 Ilay namely ireo matoan'i Ejipta...
 Ilay namoaka an'Israely tamin'ny taniny...
 
5 Tamin'ny tànana mavitrika, mahery...
 Avy tamin'ny sandry henjana, mafonja...
 
6 Ilay nizara roa ny Ranomasina Mena...
 Nampizotra an'Israely teo anivony...
 
7 Ilay nandrendrika an'i Faraona tao...
 Ka ny tafiny rehetra koa navariny...
                    Mandrakizay ny hatsaram-pony
 
8 Ny vahoakany dia indro nampizoriny...
 Ary nentiny namakivaky efitra...
 Ny mpanjaka mpieboebo dia nazerany...
 
9 Ireo mpanjaka lehibe dia novonoina...
 Dia Sehôna izay mpanjakan'i Amôria...
 Sy ry Oga izay mpanjakan'i Basanà...
 
10 Ka ny tanin'izy ireo dia nomeny...
 Holovàn'i Israely ilay mpanompony...
 Ary isika izay nijaly tsy nohadinoiny...
 
11 Fa nesoriny teo an-tanam-pahavalo...
 Ny miaina rehetra omeny hanina...
 Andriamanitry ny lanitra e, isaory!...
 
12 Isaory Ilay Ray mahatsiahy ny olony...
 Sy Ilay nahafoy ny ainy ho vonjintsika...
 Ary Ilay Mpandresy an'i Satana...

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 431
Fihirana Hasina p. 639
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091