Nifidy antsika tao amin'i Kristy

Nifidy antsika tao amin'i Kristy
Talohan'ny nahariana izao tontolo izao Andriamanitra,
Mba ho masina isika, tsy hanan-tsiny eo anatrehany,
Noho ny fitiavana,
Ho fiderana ny voninahitry ny Ray. (Ef. 1, 4-5)

(Sal. 8)
 
1 Ry Tompo Andriamanitra, endrey ny anaranao
 Lehibe sy fanta-daza eran-tany manontolo.
 Ny fiandriananao mihoatra irony lanitra
 Hobin'ny zaza bodo sy ireo izay vao minono.
 Io no toy ny manda narafitrao hijoro,
 Ka tankina sy gina ireo fahavalonao.
 
2 Raha hitako ny lanitra nataon'ny tananao,
 Ny volana, ny kintana izay namboarinao,
 Dia inona ny olona no mba tsaroanao,
 Ny zanak'olombelona no mba tsimbininao?
 Nataonao ambany kely noho Andriamanitra,
 Ka enim-boninahitra izy fa nasondrotrao.
 
3 Ny asan-tananao foinao mba hozakainy,
 Ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany.
 Irony andian'omby ary koa andian'ondry
 Sy ny sisa hafa rehetra hatramin'ny bibidia,
 Ny vorona eny an-danitra sy trondron-dranomasina
 Ireo izay mizotra any ambany ranomasina.
 
4 Ry Tompo Andriamanitra, endrey ny anaranao,
 Lehibe sy fanta-daza eran-tany manontolo.
 Isaorana e ianao, ilay nanandratra anay,
 Deraina koa ny Zanaka mpampihavana aminao,
 Ary koa ny Fanahy nananganana anay
 Mba ho afaka hibanjina ny voninahitrao.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 634
Vavaka sy Hira p. 799
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009