'Ndreo mpivahiny harivariva

1 'Ndreo mpivahiny harivariva
 Nitady trano mba hatoriana
 Tsy mba nahita na iray aza:
 Mampangorakoraka!
 
Jesoa Zazakely manetry tena
Tsy mba nitady izay fifaliana
Dera sy laza ary voninahitra
Ho anao, Jesoa!
 
2 'Njany feon'Anjely mireondreona
 Manakoako ambony any.
 Voninahitra mateza ho an'ny Avo indrindra
 Fiadanam-po ho an'ny mazoto.
 
3 Fihinanam-bilona mahantra foana
 No solon-kidoro mba natoriany
 Misasaka alina no teraka i Jesoa
 Mampangorakoraka!
 

Nampiditra Belle
Sokajy Noely
Fihirana Hasina p. 633
Vavaka sy Hira p. 675
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0941