Nandroso, nanatona an'ilay Jerosalema

Nandroso, nanatona an'ilay Jerosalema
Any an-danitra isika,
Ilay tanànan'Andriamanitra velona,
Sy ny anjeliny alinalina,
Fivorian-karavoana, Fiangonan'ny mpino
Voasoratra anarana any an-danitra.
 
1 Mifalia ianareo amin'i Jerosalema!
 Miravoa miaraka aminy
 Ianareo izay tia azy!
 Miaraha mientana aminy
 Ianareo nisaona azy!
 
2 Ianareo dia hitsentsitra, hinono eo aminy,
 Ka ho voky tambitamby;
 Dia higoka ianareo
 Ary hankafy erý
 Ny hafenoan'ny voninahiny.
 
3 Hoy ny Tompo manko hoe: "E! alefako aminy,
 Toy ny ony ny fiadanana,
 Toy ny tondra-drenirano,
 Ny voninahitra aman-daza
 An'ireo firenena".
 
4 Dia hampinonoina ianareo, hotrotroina;
 Horotsiana eo am-pofoana.
 Toy ny tambitambin-dreny
 Izay fanaony amin-janany,
 Ny tambitambiko ho anareo.
 
5 Eny, ho voatambitamby e ao Jerosalema,
 Dia hahita ianareo
 Ka ho falifaly fo;
 Moa ny anareo ny taolana
 Toy ny ahitra mitsiry.
 
6 E! hobio ny Ray Nahary be fitiavana antsika,
 Sady Ray moa no Reny,
 Ilay Zanaka Mpanjaka
 Vadin'ny Fiangonana
 Ilay Fanahy Mpampiombona.
 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 467
Fihirana Hasina p. 626
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214