Nandray anao, ry Tompo

1 Nandray anao, ry Tompo,
 'Reo nitoky tamy tenin'ireo Mpaminaninao
 Tsy rendremana fa niandry 'zany nampanatenain'ny Ray
 Ka nidodododo erý nijery anao tan-tranon'omby.
 Hofohazin'ny Fanahinao anie izahay mpianatrao!
 
2 Mandray anao, ry Tompo,
 'Zay mivelona amy tenin'ny Vavolombelonao
 Tsy matahotra fa roso ka misedra ny mpaneso.
 Zary laza ho azy ireo ny mampiantrano ny mahantra.
 Hotohanan'ny Fanahinao anie izahay mpianatrao!
 
3 Handray anao, ry Tompo,
 'Zay hifikitra amy teny 'zay navelanao ho anay
 Tsy voafitak'ireo olon-tsy mba mino ny tsy hita
 Ka ho tody soa aman-tsara ampiantranoin'izy Ray.
 Hotantanan'ny Fanahinao anie izahay mpianatrao!

 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 625
Fihirana Vaovao p. 248
Vavaka sy Hira p. 648
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093