Nahazo hafaliana aho

(Sal. 121)

Nahazo hafaliana aho raha nilazana hoe:
Andeha isika ho any an-tranon'i Iaveh.
 
1 Indro fa tapitra ny dianay
 Eto am-baravaranao, ry Jerosalema.
 
2 Ry Jerosalema ô, ianao voarina toy ny tanàna
 Izay iraisan'ny zavatra rehetra.
 
3 Ao no iakaran'ny foko, dia ny fokon'i Iaveh,
 Araka ny lalàn'i Israely, mba hidera an'i Iaveh.
 
4 Voapetraka ao ny seza fitsarana,
 Dia ny sezan'ny fianakavian'i Davida.
 
5 Manaova fanirian-tsoa ho an'i Jerosalema:
 Ho sambatra anie ilay tia anao.
 
6 Hanjaka ao anatin'ny mandanao anie ny fiadanana
 Ary ao an-dapanao ny fanambinana.
 
7 Noho 'reo rahalahiko aman-tsakaizako
 Dia mangataka fiadanana ho anao aho.
 
8 Noho ny tranon'Andriamanitsika,
 Dia maniry fahasambarana ho anao aho.
 
9 Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka
 Sy ny Fanahy Masina, mandrakizay.

Nampiditra Belle
Sokajy Fidirana - Salamo
Fihirana Hasina p. 619
Vavaka sy Hira p. 357
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0418