N'aiza n'aiza lalan-kombana

1 N'aiza n'aiza lalan-kombana,
 N'inon'inona onjan'ny tany:
 Jesoa Tompo Fanilo hazavana,
 Vatolampy ifaharana hatrany.
 
Tanora ô, mahereza,
Tandremo re ny dia.
Tanora ô, aza kivy
Fa matokia o... o... o...
 
2 Na mifaly ianao na mitomany,
 Na mijaly na tra-pahoriana:
 Jesoa Tompo manampy hatrany,
 Fehizoro hany itokiana.
 
3 N'inon'inona fiainana an-tany,
 Na mangidy izany na mamy:
 Jesoa Tompo no hery sy manda,
 Hafliana ho anao lalandava.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy - Tanora
Fihirana Hasina p. 618
Vavaka sy Hira p. 644
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088