Na mbola tsy mangataka amin'ny Ray aza ianareo

Na mbola tsy mangataka
na mbola tsy mangataka amin'ny Ray,
amin'ny Ray aza ianareo,

Dia efa fantany, eny e,
Dia efa fantany, eny e, izay ilainareo.
Izay ilainareo. 
(Mt. 6, 8)
 

(Sal. 138)

1 Ianao, ry Tompo, e! mandinika ny amiko
 Ary mahafantatra ahy
2 Na handry hatory aho, na hitsangana hifoha,
 Dia fantatrao izany,  dia fantatrao izany!

3 Na any lavitra aza ianao, dia efa azonao an-tsaina
 Ny ao an'eritreritro ao.
4 Dia eo ambany masonao ny atoriako sy alehako;
 Mahazatra anao ny làlako,  mahazatra anao ny làlako.

5 Fa ny teny mbola tsy ao am-bavako aza moa, ry Tompo,
 Efa fantatrao daholo,  efa fantatrao daholo.

6 Na aloha na aoriana, dia voababonao aho,
 Ny tànanao miaro ahy.
7 Fahalalana mahagaga ambony loatra ho ahy izany,
 Avo loatra ka tsy takatro!  Avo loatra ka tsy takatro!

8 Aiza moa no handehanako handosirako lavitra
 Ny Fanahinao misaina ahy?
9 Ary aiza no handehanako handosirako any lavitra
 Ny salovan-tavanao, ny salovan-tavanao?

10 Na miakatra mananika ny lanitra aza aho,
 Dia  indro any ianao, dia  indro any ianao.

11 Na dia mandry mitakiky any anatin'ny Seoly aza,
 Dia indro eo ianao.
12 Na halaiko aza ny elatry ny mazava atsinanana
 Hilasiako an-dafin-driaka,  hilasiako an-dafin-driaka,

13 Dia ny tànanao ihany no mitarika ahy ho any,
 Ny tànanao no mihazona ahy,
14 Ka hoy aho manao hoe: hanarona ahy, hiafenako
 Ny haizina mikitroka,  ny haizina mikitroka.

15 Fa manjary hazavana manodidina ahy ny alina,
 Ary na ny haizina aza,  ary na ny haizina aza, 

16 Tsy mba maizina aminao, ary ny alina toy ny andro
 Ka mazava dia mazava,  ka mazava dia mazava.

17 E! ianao
 No nahary ny ao anatiko, ka namolavola ahy
 Tao anaty kibon-dreniko.
18 Midera anao aho
 Fa izaho dia zava-mahagaga: ny asanao dia igagana,
 Mampiaiky ny fanahiko.
19 Ary ny amiko
 Tsy niery taminao, tamin'ny namoronana ahy
 Tao anatin'ny miafina; tao anatin'ny miafina;

20 Novolaina
 Tao anaty kibon-tany. Izaho tsy mbola àry fomba,
 Dia efa tazanao sahady.
21 Ka voasoratra
 Amin'ny bokinao sahady ny androm-piainako rehetra,
 Na tsy mbola nisy aza.
22 Andriamanitra ô!
 E! Tsy takatry ny saina ny eritreritrao ho ahy:
 Ny hamaroany mahazendana;  ny hamaroany mahazendana;

23 Raha isaiko,
 Tena maro noho ny fasika. Dia taitra aho, mifoha,
 Mbola miaraka aminao.
24 Andriamanitra ô!
 Mba zahao izay mba toetrako, dia fantatrao ny ao am-poko,
 Ka sedrao re ny tenako.
25 Dia fantaro koa
 Ny eritreritro miafina. Koa jereo sao mizotra
 Amin'ny làlana mamitaka,  amin'ny làlana mamitaka.

26 Tariho aho
 Sy tantano mba hizotra amin'ny lalan'ny fiainana,
 Dia fiainan-tsisy fetra.
27 Ô ry Ray,
 Hoderaina anie ianao, ilay nahary anay rehetra,
 Tam-pitiavan-dehibe.
28 Ô ry Zanaka,
 Miangavy indrafo avy aminao izahay mpanota,
 Rahefa hitsara anay ianao,  rahefa hitsara anay ianao.
29 Ry Fanahy,
 Ianao mpisolovava anay zanak'Andriamanitra,
 Amin'ny andro farany any,  amin'ny andro farany any.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 457
Fihirana Hasina p. 616
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174