Mpamonjy no teraka ho antsika

Mpamonjy no teraka ho antsika e,
Mpamonjy Jesoa Andriamanitra e.
 
1 Tsarovy i Adama sy i Eva nony nanota e,
 Ny varavaran'ny lanitra dia nikatona e.
 
2 Izao i Jesoa Mpamonjy efa manavotra e,
 Ny varavaran'ny lanitra indro mivoha a rô.
 
3 Fahiny isika olombelona niadiady anie,
 Izao i Jesoa Mpamonjy tonga hampihavana e.
 
4 Ny ory sy ny madinika tsisy mpiantra anie
 Antsoin'i Jesoa mpamonjy fa tiany ho sambatra e.
 
5 Izay maniry ho voavonjy ho afa-mandresy e,
 Ampian'i Jesoa Mpamonjy ho amin'ny Ray a rô.

Nampiditra Belle
Sokajy Noely
Fihirana Hasina p. 612
Fihirana Vaovao p. 27
Vavaka sy Hira p. 668
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087