Mofo velona e, avy any an-danitra

(Mofo velona e) Mofo velona e
Avy any an-danitra
No omen'ny Ray antsika zanany:
(Mpiara-dalana e) Mpiara-dalana e
Ho an-tanindrazana,
Te ho sambatra am-paradisany.

 
1 Ka lavinay, ry Ray ô, i Satàna sy ny heriny:
 I Kristy Mpamonjy e no arahinay hatrany, (O ry Ray ô)
 I Kristy Mpamonjy e no arahinay hatrany.
 
2 Ny hevitra ara-nofo alevinay impito:
 Ny teninao, ry Ray ô, no hiainanay hatrany. (indroa)
 
3 Toherinay, ry Ray ô, ny fahorian'ny tany:
 Ny finoana anao e no hataonay ampinga... (indroa)
 
4 Holavinay hatrany ilay fitiavan-tena:
 Hifankatia izahay e, fa samy zanakao... (indroa)
 
5 Ho masina tokoa ny tokantranonay,
 Fa masina ho anay ilay fitiavanao... (indroa)
 
6 Indray andro any, hahita anao 'zahay:
 Hiram-piderana ho anao mandrakizay... (indroa)
 
7 Raha tonga ny farandro, havorinao 'zahay:
 Dia hitsangan-ko velona, hifanerasera indray... (indroa)
 

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 274
Fihirana Hasina p. 612
Fihirana Vaovao p. 505
Vavaka sy Hira p. 774
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094