Mivory eto anio 'zahay zanakao

1 Mivory eto anio
 'Zahay zanakao
 Hiarahaba anao,
 Ry Reny tianay!
 
2 Miarahaba anao
 Ny Papa rainay:
 Mba tsofy rano izy,
 Ry Reny tianay!
 
Ave Maria,
Ave Maria!
 
3 Miarahaba anao
 Ny kristianin-drehetra:
 Vimbino sy arovy,
 Ry Reny tianay!
 
4 Miarahaba anao
 Izao tontolo izao:
 Ampibebaho izy,
 Ry Reny tianay!


 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 138
Fihirana Hasina p. 611
Fihirana Vaovao p. 422
Vavaka sy Hira p. 579
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091