Mitsimbina antsika zanany Andriamanitra Ray e

Mitsimbina antsika zanany e ia e
Andriamanitra Ray e. (Mt. 6, 25-34)
 
1 Fa tsy mba mamafy ary tsy mijinja e ny voromanidina.
 
2 Fa tsy mba misasatra na mamoly ny hazo mamokatra.
 
3 Ny Ray no miahy sy manolokolo ny zava-boaariny.
 
4 Nahoana àry isika no miahiahy nefa isika no zanany?
 
5 Angaha tsy efa fantany fa ilaintsika ny fitsimbinany.
 
6 Izay hampanjaka azy Tompo aloha no asainy katsahina.
 
7 Omeny izay mahatontosa izany ny sisa ho fanampiny.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 216
Antsao ny Tompo p. 80
Fihirana Hasina p. 610
Fihirana Vaovao p. 225
Vavaka sy Hira p. 423
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0236