Mitsangàna, ry Jerosalema

(Iz. 60, 1-9)

Mitsangàna, ry Jerosalema, mamirapiràta,
Fa miposaka eo aminao
Ny voninahitry ny Tompo.
Aleloia, aleloia.
 
1 Ho avy daholo ny avy any Sabà
 Hitondra volamena sy emboka:
 Hitondra fiderana ny Tompo.
 
2 Niposaka mazava ny kintan'ny Mesia,
 Namiratra niantso anay:
 Indreto 'zahay tonga hitsaoka.
 
3 Anao ny fanjakana, ry Jesoa Kristy,
 Anao ny fahefana sy ny hery,
 Anao ny voninahitra, aleloia.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy - Noely
Fihirana Hasina p. 610
Fihirana Vaovao p. 40
Vavaka sy Hira p. 409
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.172