Misandrata, mamirata

Misandrata, mamirata,  )
Kintana arahinay ianao ) (indroa)
Jesoan'i Nazareta.        )
 
1 Zanahary ianao, hazavana,
 Fitiavana sy fahamarinana.               (Tompo ô)
 
2 Fa ny haizina eran-tany
 Mila handrakotra ny olombelona.      (Tompo ô)      
 
3 Mbola ho avy ianao mba hitsara,
 Ka ny haizina indray hakipakao.       (Tompo ô)  
 
4 Vao manomboka ny andronay:
 Mbola hisy anie ny mandrakizay.      (Tompo ô)    
 
5 Te ho an-danitra izahay,
 Ka ny lalana dia ianao, ry Tompo ô. (Tompo ô)

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 602
Fihirana Vaovao p. 249
Vavaka sy Hira p. 490
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0636