Miravoa, Jerosalema

Miravoa, Jerosalema ô, (indroa)
Mivoria ianareo tia azy. (Iz. 66, 10)

(Sal. 134) 

1 Miderà ny anaran'Andriamanitra
 Ianareo mpanompony rehetra,
 'Zay manompo azy ao an-tranony,
 Amin'ny kianjan-tranony.
 
2 Miderà ny anaran'Andriamanitra
 Amin'ny lokanga sy valiha,
 Izy no nifidy an'i Jakôba,
 Israely anjara lovany.
 
3 Izy anie tsy manam-paharoa,
 Ka manao 'zay tiany rehetra,
 Eto an-tany sy an-danitra any,
 Ary eny an-dranomasina.
 
4 Zanahary izay nanao ny zavona,
 Sy mifehy ireny kotro-baratra,
 Izy no mamafy ranonorana,
 Sy mandidy ireny rivotra.
 
5 Ny voalohan-terak'i Ejipta
 Novonoiny hamonjena antsika
 Noresen'ny tanan'Andriamanitra
 I Faraôna sy mpanjaka maro.
 
6 I Sehônan'ny Amoreàna
 Ary i Ôga tany Basàna,
 'Reo mpanjaka tany Kanaàna
 Noresen'Andriamanitra.
 
7 Ka ny tany najakan'ireny
 Dia nomeny ny vahoakany:
 Hotsaroanay mandrakizay,
 Tompo ô, ilay anaranao.
 
8 Ny tompoinareo, ry firenena,
 Asan-tanan'olombelona,
 Volafotsy amam-bolamena
 'Reny sampy, mba diniho ange.
 
9 Ianareo taranak'i Israely
 Ianareo taranak'i Arôna,
 Ry levita sy vahoaka maro,
 Miderà an'Andriamanitra.
 
10 Ô ry Tompo ao Jerosalema,
 Hoderaina anie ny anaranao:
 I Siôna sy izahay rehetra
 Mankalaza sy misaotra anao. 

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 60
Fihirana Hasina p. 601
Fihirana Vaovao p. 90
Vavaka sy Hira p. 371
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093