Mifohaza ary koa mifalia

1 Mifohaza ary koa mifalia,
 Ry olo-matory eto an-tany.
 Miravoravoa re satria
 I Jesoa nitsangana androany.
 
2 I Jesoa nitsangana androany,
 Mba ho araka ny efa nambara
 Hijaly tokoa i Kristy
 Fa hatsangan'ny Tompon'ny aina.
 
3 Natsangan'ny Tompon'ny aina,
 Ilay nohelohin'ny mpanota.
 Ka mino isika fa izy
 No Jesoa Mpamonjy ny olona,
 
4 I Jesoa Mpamonjy ny olona,
 Dia tena Andriamanitra marina.
 Isika koa vita batemy
 Nahazo ny ain'Andriamanitra.
 
5 Nahazo ny ain'Andriamanitra,
 Isika nateraka indray
 Tarihin'ny Fanahin'ny Tompo,
 Fitiavana sy hafaliana.
 
6 Fitiavana sy hafaliana
 No aoka homentsika ny ory.
 Ho santatry ny hasambarana.
 Hoentin'i Kristy hiverina.
 
7 Hoentin'i Kristy hiverina.
 Amin'ny voninahitry ny Ray.
 Hanangana ny nofo rehetra.
 Hampiray ny voaary ao aminy.

Nampiditra Belle
Sokajy Paka
Ankalazao ny Tompo p. 11
Fihirana Hasina p. 597
Vavaka sy Hira p. 694
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091