Mifalia, miravoa

(Sal. 32)

Mifalia, miravoa ao amin'i Iaveh,
Ry mpanompon'i Iaveh!
 
1 Mikaloa hira vao ho an'i Iaveh:
 Derao izy amin'ny valiha.
 
2 Fa mahitsy ny tenin'i Iaveh
 Ka tanterany ny asany rehetra.
 
3 Tia ny rariny sy hitsiny i Iaveh:
 Feno ny hatsaram-pony ny tany.
 
4 Teny iray no nanaovany ny tany,
 Teny tokana dia hary ny rehetra.
 
5 Aoka hatahotra anao ny tany,
 Aoka hangovitra izao tontolo izao.
 
6 Tsisy fetra ny hevitrao, ry Tompo,
 Fa maharitra mandrakizay.
 
7 Sambatra izay nofidinao, ry Tompo,
 Fa mandova anao Andriamanitra.
 
8 Raha mijery ianao any ambony
 Dia mamantatra ny asan'ny rehetra.
 
9 'Zay manantena ny hamoram-ponao
 Tsy handalo amin'ny fahafatesana.
 
10 Miandry anao am-pitokisana ny fanahiko,
 Fa ianao no ampingako, ry Tompo.
 
11 Voninahitra anie ho anao,
 Ry Andriamanitry ny tontolo.
 
12 Toy ny taloha ary ankehitriny:
 Dera ho anao, ry Tompo mandrakizay.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 596
Vavaka sy Hira p. 275
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096