Mifalia ianao, ô ry Maria

Mifalia ianao, ô ry Maria,
Mifalia, ô ry Maria.
Mifalia e!
 
1 Feno hatsaram-panahy ianao.
 Ny Tompo momba anao.
 Tian'Andriamanitra ianao,
 Ho Renin'ny Mpamonjy. Mifalia e!
 
2 Fomba manahoana moa re,
 No haha-Renin'ny Mpamonjy ahy?
 Satria ny fikasana tao am-poko
 Ny hanolo-tena ho azy mandrakizay.
 
3 Ny Tompo irery ihany, ry Maria,
 No hahatonga izany ao aminao.
 Mpanompovavin'ny Tompo anie aho;
 Hotanterahiko 'zay voalazanao.

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 593
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089