Midera anao 'zahay, ry Tompo Andriamanitray e

Midera anao 'zahay,
Ry Tompo Andriamanitray e.
 
1 Mifalia, miravoa, ry Anjely tsy hita isa,
 Mihobia, ry mpanompon'Andriamanitra:
 Ataovy manakoako
 Ny lazan'ity androm-pamonjena ity,
 Fa nandresy ilay Mpanjaka lehibe.
 
2 Aoka ho dibo-kafaliana ianao, ry tany fonenanay
 Amirapiratan'ireto afo tsy tambo isaina:
 Fa manenika anao ny fahazavany
 Mampisinda ny alina manarona anao.
 
3 Mifalia, miravoa, ry Eglizy reninay,
 Voaravaky ny hazavana mamirapiratra:
 Henoy fa manakoako amin'ity toerana ity
 Ny hobin-kafaliana'ny vahoaka manontolo.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 592
Fihirana Vaovao p. 112
Vavaka sy Hira p. 698
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088