Midera anao izahay e - Kintana telonohorefy

Kintana telonohorefy, Masina e (indroa)
Ianao Andriamanitray ô, Masina (indroa)
Ianao, ry Ray ô, Ianao, ry Zanaka
Ianao, ry Fanahy Masina ô.

 
1 Midera anao 'zahay e
 Ry Tompo Zanaharinay ô,
 Andriamanitra tokana
 Kanefa olona telo.
 
2 Ny Ray tia ny zanaka
 Ny zanaka tia ny Ray
 Ilay Fanahy fitiavana
 Fifankatiavanareo.
 
3 Ianao irery no Masina
 Ianao irery no Tompo
 Ianao no Avo indrindra
 Tompoina sy ankalazaina.
 
4 Ray ô, indreto izahay
 Iray amin'ny Zanakao
 Velomin'ny Fanahy Masina
 Ato amin'ny fitiavanao.
 
5 Indray andro any izahay
 Ho sambatra ao aminao
 Miaraka amin'ny anjely
 Hiventy izao hira izao:
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 591
Fihirana Vaovao p. 82
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0686